<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>676</hymn_number>
<title>Ny voarain'Andriamanitra ary FFPM676</title>
<lyrics>[V1]
 Ny voarain'Andriamanitra arý
 Ka afaka tatý
 An-tany be mahory,
 Dia lasa nody, fa tsy maty tsy
 akory.

[V2]
 Ny tafafindra monina ao
 an-danitra ao,
 Nankao an-tany vao
 Fonenan'ny mazava,
 Dia tsy mba maty, fa nandao
 ny mety rava.

[V3]
 Ny voasatro-boninahitra
 tsy lo,
 Ka ao manaram-po
 Misotro ranon'aina,
 Dia tsy mba maty, fa nandray
 ny nantenaina.

[V4]
 Ny ondrinao izay manaraka
 Anao
 Ho ao am-balanao,
 Ry Ilay Mpiandry Tsara,
 Dia tsy mba maty re, fa tsara
 fiafara.

[V5]
 Ny fo mivantana aminao
 Izay nanome
 Ny hasambaram-be
 Nandramany sahady,
 Dia tsy mba maty, fa
 mpandresy afaka ady.</lyrics>
</song>